Zava-mahadomelina na jamala an-taonina no nolevonina tamin’ny afo tao amin’ny Distrikan’Ambanja.

Omaly alakamisy faha 17 septambra 2026, tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany hariva no notanterahina tao Matsabory Namelo, Fokontany Androhibe CENIA, Distrikan’Ambanja ny fandoroana ireo jamala na rongony tombanana ho roa taonina, izay tratra tao Ambanja.


Raha tsiahivina dia ny datin’ny 27 Aogostra sy 09 Septambra 2026 ireo rongony ireo no tratran’ny zandary izay samy tao amin’ny Distrika’Ambanja avokoa ka tao amin’ny kaominina ambanivohitra Bemanevika dia nahatrarana 900kg mahery kely ary tao amin’ny kaominina ambanivohitra Marovato dia nahitana 1 taonina. Olona miisa dimy no voasaringotra tamin’ity raharaha ity ary efa samy voatazonao am-ponja vonjimaika avokoa.Nanatrika ny hetsika nandritra ny fandorana ireo rongony ny manam-pahefana mahefa isan-tsokajiny tany an-toerana nahitana ny lehiben’ny distrikan’Ambanja; ny mpampanoa lalàna; ny kolonely komandin’ny faripiadidian’ny zandarimaria Antsiranana; ny ben’ny tanànan’Ambanja ary ny komandin’ny vondron-tobi-paritra Ambanja.


Ny Zandarimaria sy ireo mpiombon’antoka amin’ny fandriam-pahalemana any an-toerana dia miara-misalahy mba ho fanamafisana ny ezaka amin’ny ady hamongorana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izay mahazo vahana amin’iny faritra iny ary tsy mitsahatra manentana ny olona mba hiara-hientana sy hifanome tanana ahafahana mamongotra izany. Tsy diso anjara amin’izany ihany koa ny fampianarana ireo tanora ny amin’ny voka-dratsy aterany na eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana na ny lafiny ho avin’izy ireo iray manontolo mihitsy.