Nohavaozina sy nasiam-panatsarana ny fotodrafitrasa ao amin’ny tobim-paritry ny Zandarimaria Ambondromamy. Vita loko vaovao sady madio ny toeram-piasan’ny zandary. Nahazo fampitaovana vaovao mifanaraka amin’ny filan’ny asa, toa ny seza sy latabatra, solosaina , kojakoja hafa, ary koa nahavita nanome endrika vaovao ny toeram-pamoriana miaramila (terrain de rapport), ity tobim-paritry ny Zandarimaria Ambondromamy ity. Tonga nijery ary naneho fankasitrahana izany asa goavana vitan’ny komandin’ity tobim-paritra ity sy ireo mpiara-miasa aminy Atoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, komandin’ny Zandarimariam-pirenena .
Nasehony nandritra izany fa tsy miasa jamba rafozana ireo zandary manao ezaka, manao ny ainy tsy ho zavatra, mandritra ny fanatanterahana ny asa, sady tena tafiditra indrindra ao anatin’ny toromarika sy vina napetraky ny komandin’ny Zandarimaria, dia ny hoe : Zandarimaria madio, izao fanatsara sy fanavaozana izao.
Antenaina fa hitondra vokatra tsara eo amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra sady hampavitrika ireo zandary, hiasa tsara sy hazoto, ireo fotodrafitrasa vao navaozina ireo. Mamporisika ireo zandary manerana ny Nosy ihany koa mba handray andraikitra hatrany fa tsy hiandry foana ny avy amin’ny fitondrana .











