Nanome ny tsara indrindra tany aminy ireo zandary mandrafitra ny Gendarmerie Nationale Basketball Club sy ny Gendarmerie Nationale Volleyball Club, nandritra ity taom-pilalaovana 2026 ity, tamin’ny ireo fifaninanam-pirenena sy iraisam-pirenena nandraisan’izy ireo anjara. Tsy nitsanga-menatra ny Zandarimaria, teo amin’ny sehatry ny basketball sy ny volleyball fa dia nahazo amboara sy misalotra ny anaram-boninahitra hatrany izy ireo teo amin’ny sokajy rehetra misy azy . Isan’izany :
- Basketball
GNBC sokajy lehilahy : laharana faha 03
GNBC sokajy vehivavy : tompondakan’i Madagasikara telo taona mifanesy - Volleyball
Amin’ireo ekipa 14 (GNVB) dia tompondakan’i Madagasikara avokoa ny 07 amin’izy ireo, 07 tompondaka lefitra, isaky ny sokajy misy azy avy.
Natolotra am-panajana sady nanomezam -boninahitra an’Atoa jeneraly BAMA MARIMA, minisitra delege misahana ny Zandarimaria, ireo amboara rehetra, vokatra sy amboara azon’ny GNVB sy GNBC, androany maraina. Amin’ny maha clubs eo anivon’ny fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena azy ireo, dia tonga nitarika ny lanonam-panolorana ireo amboara maro be azon’ny Zandarimaria, Atoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, komandin’ny Zandarimariam-pirenena, miaraka amin’ireo tompon’andraikitra ambony, eo ambany fibaikoany. Nisy fihafiana sy fikirizana ary ezaka goavana nataon’ireo zandary vao nahazo ireo vokatra izy ireo koa dia namporisika hatrany amin’ny fitandroana ny hasin’ny Zandarimaria Atoa minisitra.














