Mitohy ny asan’ny Zandarimaria eto amin’ny faritra Betsiboka.
Voatendry ho komandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Betsiboka ny Kolonely RAKOTO HARIVELO Deraintsoarimasy. Mandimby ny asa vitan’ny lieutenant-colonel ANDRIANANTREHINA Dinah, nitazona izany andraikitra izany teo aloha. Vaindohan-draharaha sy vina apetrany :
1/Ny fifehezana ny fandriampahalemana an-tanan-dehibe sy any ambanivohitra, eo ihany koa ny eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 ato amin’ny faritra iandraiketany.
2/ Ny fanafoanana ny fakana an-keriny na olontsotra na ireo manana toe-tena varira. Nalaza ratsy ary faritra mena tamin’ity tranga fankana an-keriny ity tokoa mantsy ny faritra Betsiboka teo aloha. Saingy noho ny ezaka sy ny fitarihana nananan’i lieutenant-colonel ANDRIANATREHINA Dinah, komandy teo aloha ny vondron-tobim-pileovana Zandarimaria Betsiboka dia voafehy hatreto izany. Tanjony araka izany ny hanafoana ny fakana an-keriny ato amin’ny faritra iadidiany.
3/ Ny fifehezana ny halatr’omby.
Anisan’ny faritra manana omby betsaka i Betsiboka. Matetika anefa dia lasibatry ny dahalo mandeha andiany maro ireo mpiompy ka mahatonga tsy fandriampahalemana ka izany no mahatonga azy hametraka izany ho laharam-pahamehana .
4/ Ny fiadiana amin’ny fitrandrahana sy fanondranana tsy ara-dalana ny harena an-kibon’ny tany.
Manankarena volamena sy vato sarobidy tokoa ny faritra. Lamina mipetraka ato ny fitrandrahana artizanaly. Tsy misy tombo sy ala fa izay rehetra manana sy nahazo ny taratasy fazahoan-dalana mitrandraka dia afaka manao izany avokoa. Handraisana fepetra kosa ireo tsy manaraka izany lamina izany.
Miandry vokatra mivaingana azo tsapain tanana avy amin’ny komandy vaovao ny vondron-tobim-pileovana ny fibaikoana ny Zandarimaria, tarihin’Atoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, komandin’ny Zandarimaria.
















