VONDRON-TOBIM-PILEOVAN’NY ZANDARIMARIA SOFIA : NAHAZO KOMANDY VAOVAO

Ny lieutenant-colonel RAHARIMANDINA Maguy Mahasoa, zanak’i Befandriana Avaratra, no komandy vaovao ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Sofia. Izy araka izany no hanohy ny asa fampandriana fahalemana ato amin’ny faritra Sofia, izay nataon’i colonel RALAIKOTO Hajatiana, komandy teo aloha. Hifantoka tanteraka amin’ny ady amin’ny halatr’omby sy ny famotsiana omby halatra, ny asa hataony eto.

Efa nihena be ny halatr’omby tato amin’ny faritra fa tsy maintsy anaovana ezaka foana ny hahafoana izany tanteraka ho an’ny eto anivon’ny Zandarimaria. Toraka izany koa ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (rongony). Mandraka ankehitriny tokoa mantsy dia lasa faritra ampiasain’ireo tsy mataho-tody hampitana rongony ny faritra. Ny fivarotana rongony anefa dia matetika miaraka amin’ny fiparitahan’ny basy sy halatr’omby.

Efa ao anatin’ny famolavolana ny paikady hoenti-mamongotra izany ny Zandarimaria eto Sofia ary hiandrasana vokatra tsara azo tsapain-tanana izany.

Amin’ny ankapobeny dia efa nihena be ny tahan’ny tsy fandriampahalemana ato amin’ny faritra Sofia. Izany dia noho ny ezaka sy ny tolo-tanana samihafa teo amin’ny vahoaka sy ireo tompon’andraikitra samihafa misehatra amin’ny fandriampahalemana. Noho izany dia hanohy izany vokatra tsara izany ny komandy vaovaon’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Sofia.

Fa nampiavaka ny lanonana androany ihany koa ny fampahafantarana sy fanolorana ny fanion na ny saina famantarana ny vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Mampikony . Iray amin’ireo vondron-tobim-paritra fehezin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Sofia. Araka ny lamina eto anivon’ny Zandarimaria, sady paikady hoentin’ny Zandarimaria manakaiky ny vahoaka dia hametrahana vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria(compagnie territoriale) iray isaky ny distrika. Nahazo izany ny distrikan’i Mampikony ka natao androany ihany koa ny lanonana fanolorana ny saina famantarana azy. Izany moa no natao dia hitazonana ny famdriampahalemana ao amin’ny distrika.

Ny lanonana rehetra moa dia teo ambany fiahian’Atoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, komandin’ny Zandarimariam-pirenena sy Atoa jeneraly ZIPA Jean Hubert, sekretera jeneralin’ny ministera delege misahana ny Zandarimaria. Nanome voninahitra ny lanonana kosa moa Atoa LYLISON René de Rolland, minisitry ny fananan-tanany sy ny raharahan-tany.