Tafakatra amin’ny PFL (Pro League Football) ny GNFC, taorian’ny nandreseny tamin’ny isa mazava 3 noho 0 an’ny TIA KITRA FC, nandritra ny andro faha-10 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara sokajy D2.
Nahazoana antoka ny fiakaran’ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena any amin’ny PFL izany fandresena izany, na dia mbola manana lalao iray hotanterahina aza ny GNFC.




