Androany 17 Septambra 2026 no notanterahina tao amin’ny fokontany Ambokala, Kaominina renivohitra Manakara ny fandorana ireo rongony milanja 13,5 kilao sarona tao Manakara omaly 16 Septambra 2026 rehefa nahazo fankatoavana tamin’ny mpampanoa lalàna sy ny manam-pahefana mahefa tany an-toerana.
Nitarika izany Ramatoa Lehiben’ny fampanoavana, natrehin’ Atoa Jeneraly komandin’ny Faritra fiarovana sy filaminana Matitana; ny Kolonely, komandin’ ny vondron-pileovana Fitovinany; ny Kaomiseran’ ny polisy Manakara; ny komandin’ny vondro- Tobim- parîtra Manakara; ny Komandin’ny Tobim- paritra Manakara, ny sefom-pokontany Ambokala ary ireo mpanao gazety avy amin’ny TVM sy RNM Manakara.
Ny Zandarimaria dia manohy ary manamafy hatrany ny ezaka ady amin’ny zava-mahadomelina, ao anatin’ny fanajana ny lalàna mba ho fiarovana ny olona, indrindra fa ny tanora satria iaraha-mahalala ny voka-dratsin’izany izay ambana ho an’ny fiaraha-monina sy ny firenena iray manontolo mihitsy.




