Tafaverina amin’ny tompony ny omby norobain’ireo dahalo tao amin’ny Fokontany Ampondralava, Kaominina ambanivohitra Mampikony II, distrikan’ny Mampikony, ny 27 Septambra 2026 noho ny fifanomezan-tanana teo amin’ny zandary ao amin’ny Vondron-tobim-paritra Mampikony niraraka tamin’ny fokonolona ary ireo miaramila avy amin’ny Bataillon Infanterie Antsohihy sy ny BOA Bekapaika/Tsaratanana, izay mamita iraka ao amin’ny distrikan’ny Mampikony.
Omby miisa 33 no norobain’ireo dahalo tamin’izany ka nihetsika avy hatrany ireo zandary rehefa naharay ny fitarainan’ireo niharan’ny halatra ka nanao fanarahan-dia sy nametraka sakana marolafy faran’izay haingana. Nisy ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny roa tonta ka dahalo 03 no tsy afaka manohy ny asa ratsiny intsony ary basy miisa 03 no azo, tavela niaraka tamin’ireo, izay nahitana MAS 36 roa (02) sy basim-borona calibre 12 iray (01).
Omby 12 tamin’ny 33 no novonoin’ireo dahalo ary ny 21 sisa kosa efa naverina amin’ny tompony avokoa. Tsy nisy naratra na namoy ny ainy ny teo amin’ny fokonolona na tamin’ireo mpitandro filaminana nandray anjara tamin’ny fanarahan-dia.
Manokatra ny fanadihadiana mikasika ireo basy azo sy ny tranga halatr’omby ny Vondron-tobim-paritra Mampikony rehefa avy nanao tatitra tamin’ny Tonia mpampanoa lalàna ao Mampikony sy ireo manam-pahefana isan’ambaratongany.





