Natolotra an’Atoa Jeneraly BAMA MARIMA, Ministra Délégué misahana ny Zandarimaria, tao amin’ny toeram-piasany ao amin’ny Toby Jeneraly Philbert Ramarolahy Betongolo anio 28 septambra 2026 ireo vokatra azo nandritra ny lalao ASIEF 2026.
Teboka maromaro no noresahina nandritra io fotoana io dia:
- Fanaovana tatitra ny lalao sy ireo vokatra azo nandritra ny ASIEF ;
- Fanatsarana sy fiomanana @ lalao manaraka ;
- Fanolorona ireo amboara azo tamin’ireo lalao izay nandraisan’ny zandarimaria anjara.
Nandritra ny laha-teny izay nataony no nanomezan’Atoa jeneraly minisitra delege misahana ny zandarimaria hafatra dia ny « Fitandroana ny hasin’ny Zandarimaria, Fanarahana ny fitsipi-pifehezana ary ny fanaovana lalao madio hatrany »












