Trangan-doro-tanety goavana no niseho tao Atsinanandriandramalahy, Fokontany Maropanahy, Kaominina Ambanivohitra Manambotra Atsimo, Distrikan’i Farafangana ny 23 sy 24 Septambra 2026 ka Zandary 24 lahy notarihin’ny lefitry ny Komandin’ny vondrotobim-pileovana Atsimo Atsinanana no nahetsika mba hanampy ireo zandary sy fokonolona efa niantsehatra ka nahafahana nifehy tanteraka ny afo.
Tonga teny an-toerana nanome tanana ihany koa ny ekipan’ny DREDD sy tafika ary pôlisy koa dia nisaotra ny firaisan-kina sy ny fandraisan’andraikitra izay nasehon’ny tsirairay nanoloana ny zava-nitranga Atoa Prefet Farafangana.
Tsy nisy aina nafoy na naratra, ary tsy nisy trano may nandritra izany.
Nisy ny fanentanana izay nataon’ny avy eo anivon’ny zandarimaria ny amin’ny fepetra tokony ho raisin’ny tsirairay sy ny daholobe amin’ny trangan-doro tanety tahaka itony: mahakasika ny fitandremana sy ny fisorohana ny loza tsy hitranga; ny fepetra raisina mba tsy hampitatra ny afo raha toa ka efa misy firehetana; ary indrindra ny fiarovana ny aina sy ny fananana amin’izay mety ho voina ateraky ny afo.




