Nanome toromarika ireo mpilalaon’ny GNBC sokajy vavy sy lahy ny Ministra Delege misaharana ny Zandarimaria, ny Jeneraly BAMA Marima, androany 23 Septambra 2026 tao amin’ny toeram-piasany eny amin’ny Toby Jeneraly Philbert Ramarolahy Betongolo mialoha ny lalao « N1A », izay ho tanterahina ny 24 Septambra hatramin’ny 04 oktobra 2026 ao amin’ny lapan’ny fanatanjahan-tena Mahamasina.
Nankahery ireo mpilalao izy ka tamin’izany no nanambarany fa mila tandrovina ny hasin’ny zandarimaria sy ny fanajana ny fitsipi-pifehezana ary ny fanaovana lalao ara-pirahalahiana. Manoloana izany dia nanolotra mari-pahatsiarovana ireo mpilalao avy amin’ny GNBC izay notarihin’i Andriamatoa Jeneraly RABIALAHY Solofoson Lucien, mpitantana ny ekipa.
Nanome toky ny GNBC VAVY fa hitazona ny anaram-boninahitra hatrany, ary ny GNBC LAHY hiady hahatratra ny tanjona dia ny ho tompon-daka amin’ity taona 2026 ity.











