Ny 15 septambra 2026 tamin’ny 06 ora maraina dia rongony milanja 15 kilao no tratran’ny zandary sy ny sefo fokontany tao amin’ny tokan-trano iray ao amin’ny fokontany Ambalafaminty I , kaominina ambanivohitra Ambalafaminty, distrikan’Antsohihy.
Nandritra ny fahatratrarana ireo rongony dia nisy mpampianatra iray ao amin’ny sekoly tsy miankina ao an-toerana milaza fa anadahin’ilay tompon-trano ka nitabataba sy nanao tsinotsinona ireo zandary izay nanatanteraka ny asany.
Nanokafana famotorana avokoa ilay nahatratràrana ireo zava-mahadomelina sy ilay naniratsira zandary teo ampanatanterahana ny asany rehefa avy nampahafantarina ireo manampahefana isan’ambaratongany sy ny lehiben’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Antsohihy. Aorian’ny fanadihadiana dia atolotra ny fitsarana ny raharaha.
Tanjon’ny Zandarimaria ny hisoroka ny fiparitahan’ny rongony izay ambana ho an’ny fiaraha-monina koa amporisihina ny olom-pirenena mba ho mailo hatrany, tsy hanao tsirambina ny tranga mampiahiahy ary hampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana, satria ny fampitam-baovao ara-potoana dia singa lehibe amin’ny fisorohana ny voina tsy hitranga



