DISTRIKA AVARADRANO: VOASOROKA ARA-POTOANA NY FANAFIHAN-JIOLAHY.

Valolahy mitam-basy no saika hanafika tonkan-trano iray tao Antsampandrano, Kaominina Ankadikely Ilafy, Distrikan’Antananarivo Avaradrano ny alin’ny 14 septambra 2026, saingy voasoroka ara-potoana izany nohon’ny hafainganan’ny Zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Sabotsy Namehana rehefa naharay antso vonjy avy amin’ireo tompon-trano.

Raiki-tahotra ireo jiolahy rehefa nahita ny fahatongavan’ny zandary ka nitsoaka avy hatrany ary raikitra ny fifanenjehana sy ny fifamaliana tifitra. Tafaporitsaka tao anaty haizina ireo olon-dratsy saingy na izany aza dia voasakana ny teti-dratsy, ary tsy nisy voaroba, tsy nisy maty na naratra ny tompon-trano sy ny zandary. Hita teny an-toerana ny taim-bala 7,62mm nampiasan’ireo jiolahy nandritra ny fifampitifirana. Miara-mihetsika amin’ny fikarohana ireo jiolahy sy amin’ny fanaovana ny fanadihadiana ny Tobim-paritra Ankadikely.

Ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana dia andraikitra iombonana ka ilàna fifanomezan-tanana amin’ny alalan’ny fanomezana vaovao marim-potoana ny mpitandro filaminana. Antso iray monja dia ahafahana mifehy ny loza tsy hitranga satria ny fisorohana ny ambana ara-potoana sy ny fiarovana ny vahoaka ary ny fanana no laharam-pahamehan’ny eo anivon’ny Zandarimaria.