Navaozina ary nasiam-panamboarana ny birao fiasan’ny Zana-tobim-paritra zandarimaria ao Anjiamangirana, distrikan’Antsohihy, faritra SOFIA.
Nitsidika sy nijery ny fanatsarana sy ny fanavaozana natao taminy Andriamatoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos komandin’ny zandarimariam-pirenena sy ireo delegasiona niaraka taminy.
Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny mpiaramimbonantoka sy malalatanana no nahavitana izany. Izany moa dia nifanindran-dalana tamin’ny fitokanana fotodrafitrasa maro mifandraika amin’ny fankalazana ny 14 oktobra ao anatin’ny dian’ny filohan’ny fanavaozana aty amin’ny faritra.



