Tanora marobe avy ao amin’ny Tanora Aron’ny Vahoaka (TAV) sy ireo tompon’andraikim-panjakana ato amin’ny distrikan’i Mahabo, faritra Menabe, no tonga nitsena an’Atoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, komandin’ny Zandarimariam-pirenena, androany, teto Mahabo. Manatanteraka iraka eto amin’ny faritra Menabe, amin’izao fotoana izao, ny komandin’ny Zandarimariam-pirenena ka tsy nolalovany fotsiny i Mahabo fa nijanona sy nitafa ary nifampiresaka tamin’ny mponina izy.
Nohamafisina teo amin’ny fihaonan’ny roa tonta ny maha zava-dehibe ny fifampitokisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny vahoaka, sy ireo olom-panjakana ary ny mpitandro filaminanana, indrindra fa ny Zandarimaria izany. Tanjona ny hanamafisana sy hitazonana ny fandriampahalemana sy ny filaminanana eny ifotony, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fifamatorana amin’ny vahoaka toy izao, mba hampahomby ny asa fametrahana ny fandriampahalemana.







