Nandray anjara mavitrika tamin’ny fankalazana ny 14 oktobra, nijoroan’ny repoblika voalohany sy ny nandraisan’Atoa filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’i Madagasikara, fahefana feno nitondrany ny firenena, ny Zandarimaria.
Nahatratra 170 ny isan’ireo zandary nanatanteraka ny matso lehibe teto amin’ny garan’ny raoplanin’Antsohihy, izay nahitana ny avy ao amin’ny FIGN, ESCAPARA, Groupement de la Gendarmerie territoriale de Sofia ary ny GSIS. Nitarika ny delegasiona avy amin’ny Zandarimaria, nandritra ireo hetsika rehetra nanamarihana ity daty mana-tantara ity moa,
Atoa jeneraly BAMA MARIMA, minisitra delege misahana ny Zandarimaria sy Atoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos komandin’ny Zandarimariam-pirenena.






















