Tsy manafoana fa vao maika aza manamafy orina ny fisian’ny Tanora Aron’ny Vahoaka (TAV), amin’izao fahatongavan’i kolonely RAMAHANDRIMANANA Rijaniaina, eto amin’ny faritra Menabe izao. Vao maika aza hasongadina hatrany ny fisiany sady hanohy ny asa niarahan’izy ireo tamin’i kolonely FANEVA, izay angady nanana sy vy nahitana ity vondron’ny tovolahy, misehatra amin’ny fandriampahalemana ity, raha araka ny fifampiresahana teo amin’izy ireo sy Atoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, komandin’ny Zandarimariam-pirenena androany.
Tonga nihaona sy nifampitafatafa tamin’ireto Tanora Aron’ny Vahoaka ireto, ny komandin’ny Zandarimaria, teto amin’ny kaominina ambanivohitr’i Bemanonga, ditrikan’i Morondava androany. Fotoana nampanginana ny ahiahin’ireto tovolahy niova fo, misehatra amin’ny fandriampahalemana ireto. Nohararaotina ihany koa izany mba nampahafantarina sy nanolorana ny kolonely Rija, izay voatendry ho komandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Menabe, amin’ireto tanora ireto. Manohana ary miara-dalana amin’ireto tanora ireto ny Zandrarimaria.
Manamarika izany ny fanoloran’ny Zandarimariam-pirenena omby iray, miaraka amin’ny vary fotsy iray taonina, voamaina 200kg ary menaka 07 baoritra, ho an’ny tanora izay tonga maro be nitsena an’Atoa jeneraly komandin’ny Zandarimaria sy ireo mpiara-dia aminy, androany maraina. Tsy vitan’ny zandary irery ny fampandriana fahalemana fa ilaina ny fifanampiana eo amin’ny mpiray tanindrazana. Koa izay indrindra no hanamafisana ny fifamatorana misy eo amin’ny vahoaka sy ny Zandarimaria. Misokatra amin’ny vahoaka Malagasy ny Zandarimaria.
















