Lehilahy roa no tratran’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ankadikely ambodiomby teo am-pivarotana rongony teny Antanandrano, Kaominina Ankadikely, distrika Antananarivo Avaradrano, ny 13 Oktobra 2026.
Marobe tokoa mantsy ireo fitarainan’ireo mponina manodidina an’Antanandrano voarain’ny avy eo anivon’ny tobim-paritra Ankadikely mahakasika ny fihanak’ity zava-maha-domelina na RONGONY ity, ary tsy mitsaha-mitombo ireo mpidoroka azy ka miteraka tsy fandriam-phalemana izay mampandry tsy lavo loha ny mponina eny an-toerana.
Rehefa natao ary ny paik’ady sy vela-pandrika rehetra dia tra-tehaka teo amin’ny toeram-pivarotany ireo mpivarotra miisa roa sy ny RONGONY namidiny, izay tsy olon-kafa fa dia mponina eo Antanandrano ihany ary efa zokizoky olona satria dia 58 taona sy 43 taona.
RONGONY anaty fonosana miisa 114 sy rarany tapaky ny harona (fangarony : tapany, voany ary raviny) izay milanja iray kilao no tratra teo amin’izy ireo.
Nanaovana tatitra mahakasika ny tranga ireo manam-pahefana isan-tsokajiny ary nentina nihazo ny Tobim-paritra avy hatrany izy roa lahy ireto mba hatao andrimaso sy hanokafana ny fanadihadiana ary hatolotra ny fampanoavana aorian’izay.
Vaindohan-draharahan’ny Zandarimariam-pirenena ny ady amin’ny zava-mahadomelina, satria ambana lehibe ho an’ny fiaraha-monina izany, indrindra ho an’ny tanora izay mbola eo am-panorenana ny hoaviny. Tsy vitan’ny hoe manimba ny fahasalamana izy io, fa miteraka tsy fandriam-pahalemana amin’ny fiaraha-monina, ka hentitra ny Zandarimariam-pirenena amin’ny fisorohana ny fiparitahan’izany, ary dia raisina ny fepetra rehetra araka ny lalàna velona, amin’ireo olona minia mivarotra sy mampiely Zava-mahadomelina amin’ny endriny rehetra. Koa manao antso avo etoana amin’ny olom-pirenena tsirairay mba hifanome tanana ka hanome vaovao mari-pototra ny zandary raha misy tranga mampiahiahy. Marihina fa tanana ho tsiambaratelo, ary arovana ny mombamomba izay rehetra manome loharanom-baovao.





