Mba hofanatanterahana ny vina sy lamina mipetraka eto anivon’ny foibe fibaikoana ny Zandarimaria, tarihan’Atoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, komandin’ny Zandarimariam-pirenena, izay mifantoka indrindra amin’ny fametrahana vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria (compagnie) iray isaky ny distrika iray dia nahazo vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria (compagnie) ny ao amin’ny distrikan’i Marovoay sy ny distrikan’i Mitsinjo.Tanjona amin’izany ny hanaikaikaizan’ny Zandarimariam-pirenena misimisy kokoa ny vahoaka.
Izany moa dia tafiditra indrindra ao anatin’ny ezaka ataon’ny Zandarimaria mametraka fandriampahalemana eny ifotony. Araka izany dia naseho ampahibemaso sy nampahafantarina, androany, nandritra ny lanonam-pamindram-pibaikona teo amin’ny komandy teo aloha sy ny komandy vaovao ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Boeny, ny saina famantarana ireo vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria roa ireo. Amin’izao fitsidihana tanterahan’Atoa jeneraly komandin’ny Zandarimariam-pirenena aty amin’ny tapany Avaratra Andrefan’i Madagasikara izao dia nanome baiko sy toromarika mazava ho an’i kolonely ANDRIATAHINA José Emile, komandy vaovao ny vondron-tobim-pileovan’i Boeny izy mba hanohy ny ezaka vitan’ny kolonely RANDRIAMAHERY Faniry, komandy teo aloha,hitazomana ny fandriampahalemana efa misy ato amin’ny faritra. Mifototra amin’ny fiaraha-misalahy amin’ireo tompon’andraikim-panjakana eto amin’ny faritra Boeny sy ny hery fiarovana sy filaminana ary ny vahoaka, ny paikady apetrany hampanjakana ny fahalemana eto amin’ny faritra iadidiany.
Tontosa, androany maraina, teto amin’ny bord de la mer Mahajanga ny lanonam-pamindram-pibaikoana teo amin’ny kolonely RANDRIAMAHERY Faniry, koamandy teo aloha ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Boeny sy ny kolonely ANDRIANTAHINA José Emile, komandy vaovao.















