Omby 25 no raraka teo ampela-tanan’ny dahalo noho ny fiaraha-mientan’ny tovolahy avy ao amin’ny fokontany Ampanasana, kaominina Ambanivohitra, Beravina distrikan’i Morafenobe sy ireo zandary nanao fisafoana kizo ny 15 Septambra 2026.
Dahalo miisa 06 nitondra basim-borona 03 sy zava-maranitra no nandroaka ny omby ka nifandona tamin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana tao amin’ny kizo andrefan’ny tanàna. Resitosika ireo Dahalo ka lasa nandositra ar navelen’izy ireo ny omby rehetra. Nisy iray tamin’ireo omby miisa 25 no maty voatifitra nandritra ny fifampitifirana.Tsy nisy naratra na maty ny fokonolona sy ireo zandary ary efa naverina amin’ny tompony ireo omby ireo taorian’ny fizahana sy fanamarinana ny maha-ara-dalàna ny bokin’omby. Ho fanamafisana ny fandriam-pahalemana any an-toerana dia hohatevenina hatrany ny fisafoana sy fiambenana kizo.
Ny fiarovana ny biby fiompy sy ny fananan’ny tantsaha amin’ny mpangalatra dia andraikitra fototry ny Zandarimaria. Amporisihina noho izany ny mpiompy sy ny fokonolona mba ho mailo, hifanome vaovao ary hampandre haingana ny Zandary raha misy fihetsika mampiahiahy. Ny fampitam-baovao ara-potoana sy ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana dia ahafahana misoroka ny halatr’omby, mampody ny fananana ary mitarika amin’ny fisamborana ireo olon-dratsy.



