Tanakidy Manakara: Mpanaparitaka rongony saron’ny zandary.

Loharanom-baovao tamin’olona tsara sitrapo no nahatratran’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Manakara rongony milanja 13,5 kilao tao amin’ny tokan-trano iray ao amin’ny Fokontany Tanakidy Manakara rehefa avy nazahoana alalana tamin’ny mpampanoa lalàna any an-toerana.
Nogiazana ireo rongony ary noentina avy hatrany ao amin’ny biraon’ny tobim-paritra Manakara ilay olona tratra mba hatao famotorana ary hatolotra ny fampanoavana avy hatrany aorian’izay.

Ambana ho an’ny fiaraha-monina ny zava-mahadomelina ary fiainana sy ho avin’ny tanora maro no mety ho potika vokatr’izany koa manentana ny tsirairay mba hampita vaovao amin’ny mpitandro filaminana raha misy tranga mampiahiahy satria aleo misoroka toy izay mitsabo.