Omby miisa 13 amin’ny 15 no latsaka tamin’ny fanarahan-dia nataon’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Vohidiala sy ny fokonolona ny alin’ny 12 hifoha 13 Septambra 2026.
Tao Antanimihetry, fokontany sy kaomina ambanivohitra Andilanatoby, Distrikan’Ambatondrazaka, faritra Alaotra Ma goro no nitrangan’ny halatra ka nanaradia avy hatrany ireo zandary sy ny fokonolona, ary rehefa tonga tao amin’ny toerana atao hoe Andranomandry kaominina Andaingo dia navelan’ireo dahalo ny omby miisa 13.
Niverina nitondra ny omby ireo mpanara-dia saingy teny an-dalana dia nanaovan’ireo olon-dratsy sakana tao anaty haizina ka nisy ny fifandonana ary dahalo roa no lavo nandritra izany. Tsy nisy naratra na maty ny avy aty amin’ny zandary sy ny fokonolona.
Hatolotra ireto farany ny fikarakarana sy fadevenana ireo razana rehefa vita ny fitsirihana ataon’ny dokotera.
Manohy ny fanadihadiana sy fikarohana ireo tafatsoaka ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Vohidiala ary manentana hatrany ny vahoaka mba hanome vaovao ara-potoana Raha misy tranga, na olona mampiahiahy.



