Zandary efa amperinasa lahy sy vavy, Malagasy sy vahiny, miisa 673, ahitana mamboninahitra ambony, manamboninahitra ary manamboninahitra lefitra avy amin’ireo tobin’ny Zandarimaria manerana ny Nosy no nahavita ny fiofananana arak’asa, nampitombo ny traikefa efa ananan’izy ireo, teto amin’ny Sekoly Ambonin’ny Zandarimaria Moramanga, nandritra ny volana maromaro.
Lanonana makotroka no namoahana azy ireo tamin’ny fomba ofisialy androany.
Fanamafisana ny fahaizana sy ny traikefa mba hafahan’ny zandary mahatratra sy mahatanteraka ny iraka ankinina aminy mba hovoaaro ireo andrim-panjaka, ny vahoaka ary ny fananany no anton’izao fiofanana izao.
Nifototra tamin’ny fifehezana ireo fahaizamanao teknika isak’ireo sampam-piofanana misy ny tsirairay ny fampianarana teto amin’ny ESGN. Teo ihany koa ny fanamafisana ny fitsipim-pitondrantenan’ny zandary satria dia ilaina ary takiana amin’ny asa izany. Tafiditra hatrany ao anatin’ny fanatsarana ny endrika ivelany ananan’ny Zandarimaria. Tsy mitsahatra mivoatra rahateo ireo ambana amin’ny fandriampahalemana ka rariny raha toa ka miezaka manome fanofanana sy fampianarana mifanaraka amin’izany ny sekoly.
Tonga nanome voninahitra ireo lanonana rehetra androany Atoa RAJAONARISON Mamitiana, Praiminisitra lehiben’ny governemanta izay nampanantena fa vonona hanohana ary hampivoatra ity Sekoly Ambonin’ny Zandarimaria ity . Hatomboka atsy ho atsy izany.
Nifanotrona taminy ihany koa Atoa jeneraly BAMA MARIMA, minisitra delege misahana ny Zandarimaria sy Atoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, komandin’ny Zandarimaria. Taorian’ny lanonam-pamoahana ny andiany 29ème CSC sy ny 50ème CAO ary ny 39ème SMP, dia nitokana ireo fotodrafitrasa vaovao sy vao nasiam-panavaozana tato amin’ny sekoly izy ireo.























