Rongony milanja 364,10 kilao no saron’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Betroka ny faha-02 Septambra teo.
Olona tsara sitra-po no nanome ny loharanom-baovao izay nilaza fa avy any amin’ny tangorom-bohitr’Andriry no niaingan’ireo zava-maha-domelina ireo ary kasaina ho entina any Ilakaka ka nafenina anaty sakasaka iray any avaratra atsinanan’ny Fkt Maroraza, kaominina ambanivohitra TSARAITSO, distrika Betroka.
Nidina teny amin’ny toerana voalaza avy hatrany ny zandary miisa 05 izay notarihin’ny lefitry ny Vondron-tobim-paritra Betroka ka sarona tao avokoa ireo rongony ireo.

