✅ Nirotsaka an-dalambe nampianatra ireo FITSIPIKA MIFEHY NY FIFAMOIVOIZANA na ny « CODE DE LA ROUTE » ho an’ireo mpamily FIARA TAXI sy TAXI MOTO Ambilobe ireo zandary avy eo anivon’ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimaria AMBILOBE, ny Alakamisy faha 15 Octobre 2026.
Nisantarana izany hetsika fampianarana izany ny teo amin’ny sampanana AMBANJA Sengaloka, Kaominina ambonivohitr’Ambilobe, ary dia hita fa nanaitra ny maro tokoa no sady nahaliana tanteraka ireo mpamily izany ka vory lanona ny rehetra, nihaino sy nametra-panontaniana tamin’ny fampianarana izay natao.
Niaiky tanteraka ireo mpanatrika ny fampianarana teto fa ilaina ny fisian’ny fampianarana ankalamanjana tahaka izao ary tokony hitohy hatrany.
Nambaran’ireto zandary avy amin’ny Vondron-tobim-paritr’ Ambilobe ireto fa tsy hijanona eto amin’ny sampanan’ AMBANJA Sengaloka akory ny fampianarana, fa hotohizana eny anivon-tanànan’ Ambilobe ihany koa, satria, hita fa betsaka ny tsy fanajana ireo FITSIPIKA MIFEHY NY FIFAMOIVOIVOIZANA.
Ny tanjona amin’izao hetsika izao moa dia ny hampihena ny loza izay ateraky ny tsy fanajana ny fitsipika sy lamina izay mipetraka ao anivon’ny Distrikan’ Ambilobe.






















