Distrika Taolagnaro: Fahatratrarana olon-dratsy nikasa hamono olona.

Olon-dratsy telolahy nikasa hamono olona no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Taolagnaro, miambina kizo ao amin’ny Fokontany Evatraha kaominina Mandromondromotra distrika Tolagnaro omaly talata faha-08 Septambra 2026.
Antso an-taribia avy amin’ny fokontany no nahafahana nanara-maso sy nisambotra ireto olon-dratsy izay voalaza fa vahiny tsy fantatra mihaodihaody ao an-tanàna ireto izay mitondra basy vita gasy iray sy famaky ary antsy. Ny fanadihadiana izay natao no nahafantarana fa saika hamono olona izy ireo saingy haingam-piasa ireo zandary ka voasakana ara-potoana ny fikasan-dratsin’izy ireo.
Olona iray monina ao Evatraha izay efa an-dalam-pikarohana no notondroin’izy ireo ho mpaniraka. Aorian’ny famotorana dia hatolotra ny fampanoavana izy ireo.