AKANIN’NY ZANDARIMARIA ARIVONIMAMO : MANATSARA NY TOERANA FONENANA

Mihatsara hatrany ny farim-piainana sy ny fotodrafitrasa hiainan’ny zanaky ny mahery fon’ny Zandarimaria, ato amin’ny Akanin’ny Zandarimaria Arivonimamo. Nahazo fotodrafitrasa vaovao : toeram-pitsaboana nasiam-panitarana, fanamboarana entona fandrehitra ary kianja filalaovana basketball, hanampy amin’ny fampianarana sy hanamorana ny fiainan’ireo zanaky ny zandary ato amin’ny akany izany. Vokatry ny ezaka goavana avy amin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny fanampian’ireo malalatanana, mpiaramiombonantoka no nafahana nanitatra sy nanamboatra ireo fampitaovana vaovao ireo.

Tanjon’ny Zandarimaria ny hampitovy ireo zanaky ny mahery fon’ny Zandarimaria amin’ireo zanaka Malagasy rehetra, hofamporosihana azy ireo hianatra sy hilofo hanomana sy ho tonga amin’ny tanjona irian’ny tsirairay avy.
Fa ankoatra izay dia ho afaka handray olona manana olana aram-pahasalamana ivelan’ny Akany ihany koa. Antenaina araka izany fa hitondra vokatra tsara azo tsapaintanana eo amin’ny fiainan’ireo zanaky ny mahery fon’ny Zandarimaria sy ny akany ary ireo rehetra mety hahazo tombotsoa amin’ny fahazoana ireo fotodrafitrasa, izany.


Tonga nitokana ireo fotodrafitrasa vaovao ireo moa Atoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, komandin’ny Zandarimariam-pirenena, androany.