Hentitra Atoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, komandin’ny Zandarimariam-pirenena, androany raha nanome baiko sy toromarika ny Lieutenant-colonel RATSIMANINDRY Harisitraka, komandy vaovao ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Itasy. Tsy maintsy hampitomboina ny fidinanana ifotony ataon’ireo zandary amin’ny fanaovana ny asa fisorohana mba hametrahana fandriampahalemana maharitra.
Mila mahatsapa ny asa atolotry ny zandary ny vahoaka. Tokony hipaka eny ifotony ny tolotra omen’ny Zandarimaria. Misy toe-javatra tsy maintsy andraisana andraikitra avy hatrany. Andraikitra izay mifanandrify Amin’ny zandary tsirairay. Ilaina ihany koa ny fanavaozana ny toe-tsaina sy ny fitondrantenan’ny zandary eo am-panatanterahana ny asany. Tena manara-maso akaiky ny zandary manerana ny Nosy sy ny asany ny komandin’ny Zandarimariam-pirenena amin’izao fotoana izao. Handraisana fepetra ireo tsy mahavita ny asany, ireo izay mandika sy tsy manaraka ny fitsipim-pitondran-tena mifehy ny zandary.
Nampahafantatra ampahibemaso ny vinany hafahana manatsara ny fandriampahalemana eto amin’ny faritra Itasy, ny komandy vaovaon’ny vondrontobim-pileovan’ny Zandarimaria Itasy androany. Ao anatin’izany ny fidinana ifotony hafahana mahazo ny loharanom-baovao mba hisorohana mialoha ny toe-javatra mety hanohitohina ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka. Toy izany koa ny fiomanana amin’ny lafiny rehetra mba tsy ho tampoka amin’ny fandraisana andraikitra. Hiparitaka eny ambanivohitra ireo zandary eo ambany fibaikoany mba hanamafy ny fisafoana eny amin’ny faritra rehetra iandraiketany.
Tontosa androany maraina teto amin’ny kianja filalaovam-baolin’ny kaominin’Itasy ny lanonam-pamindram-mpibaikoana teo amin’i Colonel RARIVOMANANA Andriamahery, komandy teo aloha ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Itasy sy ny Lieutenant-colonel RATSIMANINDRY Harisitraka, komandy vaovao.























