Miisa roa sahady ankehitriny ny zana-tobim-paritry ny Zandarimaria (poste avancé) ato amin’ny kaominina ambonivohitra Mahavelona, distrikan’Ankazobe, faritra Analamanga. Notokanana sy natolotra amin’ny fomba ofisialy ho an’ny vahoakan’Anjezika, androany, ny zana-tobim-paritry ny Zandarimaria Anjezika. Mangetaheta fandriampahalemana tokoa ny aty amin’ny kaominina satria dia isan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana tokoa, ny kaominina Mahavelona. Saingy noho ny ezaka nataon’ireo zandary nampandry tany taty an-toerana dia milamina tanteraka izy an-kehitriny. Mba hitazomana sy hampaharitra ny fahalemana efa misy ankehitriny dia nankatoavina teto anivon’ny Zandarimaria ny fametrahana ny zana-tobim-paritra Anjezika.
Noho ny fiaraha-mientana sy misalahy eo amin’ny vahoaka sy ireo malalatanana ary ny Zandarimariam-pirenena dia nahazo toeram-piasana sy trano fonenana ireo zandary rehetra hiasa ao amin’ny zana-tobim-paritry ny Zandarimaria Anjezika.
Hifehy ny tapany Antsimo Antsinanan’ny distrikan’Ankazobe ity zana-tobim-paritra vaovao ity. Efa tsy azo niodivirana fa efa tsy maintsy nirosoana ny fametrahana io toby io satria dia miaro ny ivon’ireo faritra 03 (Anjanadoria, Ambolotarakely, Mahavelona) mifanefitra izy io.
Tonga nitokana io zana-tobim-paritry ny Zandarimaria Anjezika io moa Ato jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, komandin’ny Zandarimariam-pirenena niaraka tamin’Atoa jeneraly ZIPA Jean Hubert, sekretera jeneralin’ny ministera delege misahana ny Zandarimaria, androany. Nampiseho ny fahavononany hanatanteraka sy hametraka fandriampahalemana mahatitra moa ny avy eto anivon’ny Zandarimaria ka nankasitrahan’ny vahoaka aty an-toerana tokoa izany. Mba hampahomby ny asa sy ny fandraisan’andraikitra izay tsy maintsy hataon’ireo zandary dia manentana hatrany ny vahoaka amin’ny fanomezana loharanom-baovao mba hampahomby ny paik’ady hampandriana fahalemana ny faritra iadidiany


















