ANDONABE/MANANJARY: TAGNAMARO HO AMIN’NY FANDRIAM-PAHALEMANA (TAFA)

Ny 29 Septambra 2026 dia nisy ny fivoriana izay niarahan’ny Komandin’ny Tobim-paritra Antsenavolo tamin’Atoa Delege, ireo lefitry ny Ben’ny tanana sy ireo mpanolo-tsaina ary ireo Sefom-pokontany sy ny lefiny ao anatin’ny Kaominina ambanivohitra Andonabe, Distrika Mananjary, Faritra Vatovavy mba ho fanatsarana ny fandriam-pahalemana any an-toerana.

Lohahevitra maromaro no nodinihina tamin’izany ka toy izao manaraka izao ireo foto-kevitra niompanan’ny fivoriana:

  • Fifankafantarana,
  • Fanamafisana ny fanaovana andrimasom-pokonolona.
  • Fampianarana ireo torolalana mikasika ny varotra omby sy kisoa,
  • Ady amin’ny halatra sy famotsiana omby,
  • Ady amin’ny fivarotana sy fidorohana rongony,
  • Fampianarana sy fanentanana ny atao hoe « lalàna manery » sy ny « lalàna mandrara ».
  • Fiarovana ireo olona manana toen-tena varira.

Nasongadin’ny komandin’ny tobim-paritra Andonabe tamin’izany ny maha-zava-dehiibe izao laha-dinika iarahana izao mba hahafahana manatanteraka ny vinan’ny fitondram-panjakana hirosoana amin’ny fanavaozana hahafahana mametraka fandriam-pahalemana maharitra ao an-toerana.
Nankatoavin’ireo mpivory ny fehin-kevitra tapaka tamin’izany ary nifanome toky izy ireo fa hiaraha-hiasa amin’ny Zandarimaria mba hampandry fahalelamana ny Kaominina Andonabe izay iadidian’izy ireo.