Jiolahy miisa fito tompon’antoka tamin’ny vaky trano narahina vonona olona sy fanolanana ary fandobana vola mitentina 560.000ar sy finday roa tao Tsarasaotra, Fokontany Andranoraikitra, kaominina ambanivohitra Fiadanana, Distrika Fandriana no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fandriana ary nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa rehefa avy nandalo fampanoavana ny 28 Septambra 2026.
Ny datin’ny 20 septambra 2026 tamin’ny 09 ora alina no nanatanterahan’ireo olon-dratsy io asa ratsy io ka folo no tena tontalin’izy ireo tamin’izany.
Nitsoaka ireo jiolahy rehefa nahazo ny zavatra tadiaviny ary nampandre ny Zandarimaria ny voatafika taorian’izay ka nanomboka teo ny fikarohana sy fanaovana vela-pandrika sy tsongodia ary fitrandrahana ireo singa rehetra nahafahana namantatra ireo mpanao ratsy ka ny 22 Septambra 2026 no voasambotra ny roalahy izay nanondro ny namany ka nanomboka teo dia nanao tohivakana ny fisamborana ary dia tafakatra fito no isan’ireo voasambotra (lehilahy daholo):
Ny 5 dia mpandray anjara mivantana nandritry ny fanafihana;
Roa no atidoha nikotrika ny fanafihana izay mpiasa tao taloha ihany ny iray;
Ny 2 kosa dia mpiray tsikombakomba, mpanome loharanom-baovao sy mampiantrano ireo jiolahy.
Mbola misy ireo karohina izay efa fantatra ny momba azy ireo ary voalaza fa any amin’izy ireo ny vola sy telefonina sasany norobainy.
Ny zandarimaria dia mankasitraka ny ezaky ny mpiara-monina manome loharanom-baovao mari-pototra sy ara-potoana ary manentana hatrany mba hanome loharanom-baovao mialoha Raha misy tranga hafahafa na olona mampiahiahy mba ahafahana misoroka mialoha ny asa ratsin’ny jiolahy tahaka itony. Isaorana ihany koa ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fandriam-mpahalemana avy ao amin’ny pôlisim-pirenena nanome tanana sy nanohina ny antso tamin’ny fisavana teny amin’ny lalana ka nahafahana nisambotra ny sasany tamin’ireo olon-dratsy.




