Fahatratrarana rongony tao amin’ny faritra SOFIA.

Rongony milanja 600 kilao no saron’ny zandary avy ao amin’ny ao amin’ny Zana-tobim-paritra Antsahabe ny Alarobia faha-02 septambra 2026 teo.

Loharanom-baovao avy amin’ny kartie mobily nanao fisafoana tao amin’ny Fokontany Ambario kaominina Antsahabe izay nahita ireo olona mitondra basy miisa 20 lahy milanja gona fotsy 40 isa feno rongony no nampita ny vaovao tamin’ireo zandary. Nidina ifotony teny amin’ny toerana handalovan’ireo olon-dratsy avy hatrany ny zandary efatra notarihin’ny lehiben’ny tobim-paritra ka tsikaritra tamin’izany tokoa ireto olon-dratsy sy ireo rongony voalaza ireo saingy vaky nandositra avokoa ireto farany vantany vao nahatazana ny Zandary sady nanapoaka poa-basy nirefodrefotra ary dia tavela teo avokoa ireo rongony marobe ireo. Nogiazana ireo zava-maha-domalina ary hiantsoana ireo manampahefana mahefa amin’ny fotoana handorana azy.

Nanome baiko sy toro-marika araka izany ny komandin’ny Vondron-tobim-pileovana SOFIA ary namporisika ireo zandary hikaroka hatrany loharanom-baovao mba ahafahana hisambotra ireo mpamatsy sy mpitondra io zava-mahadomelina io, ary hanatanteraka hetsika fampandrian-tany hamongorona tanteraka io asa ratsy io.