Distrikan’ Ampanihy Andrefana: Omby miisa 52 votsotra teo ampelatanan’ny dahalo

👉🏿Noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny mpiray Dina sy ny Mpitandro filaminana mitambatra dia latsaka tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Behompy ny omby miisa 52 izay anangalarin’ny dahalo avy any amin’ny Distrikan’i Ampanihy Andrefana ka teo anelanelan’ny fokontany Ankiliberengy sy Andatabo Toliara no nahazoana izany.

👉🏿Nanomboka tamin’ny alarobia hariva no raikitra ny fanarahandia ka ny alakamisy maraina be dia raikitra ny fifampitifirana ka tafaporitsaka ireo dahalo folo mahery ary efa ampelatanan’ny tompony avokoa ireo omby ireo taorian’ny fanamarinana ny taratasy rehetra momba izany.