NAHITAM-BOKANY NY FAMPANDRIAN-TANY NATAO TATY AMIN’NY TAPANY ATSIMON’NY NOSY

Nitohy teto Ambovombe, faritra Androy ny dian’ny delegasiona notarihin’Atoa jeneraly BAMA MARIMA, minisitra delege misahana ny Zandarimaria sy Atoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, komandin’ny Zandarimariam-pirenena, androany, nanao ny tomban’ezaka mahakasika ny fametrahana fandriampahalemana tato anatin’ny faritra 3 mpifanolo-bodirindrina : Anosy, Androy, Atsimo Andrefana, aty amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara. Nahitam-bokany ny ezaka nataon’ny mpitandro filaminana, nandritra ireo hetsika fampandrian-tany na opérations nataon’izy ireo, tao anatin’ny 03 volana izay. Nihena be ny isan’ny trangana halatr’omby tato anatin’ny distrikan’Antanimora Sud, Bekily, Amboasary, noho ny ezaka atao amin’ny famerenenana ny dahaolo eny amin’ny fiaraha-monina.

Nanaporofo izany fihenan’ny halatr’omby izany ny fiverenan’ireo dahalo niova fo, miisa, 30 lahy, izay resy lahatra fa hiverina eny amin’ny fiaraha-monina ary tsy hiverina amin’ny asa ratsy fanaony intsony. Amin’ny ankapobeny, dia avy ao amin’ny distrikan’Isoanala sy Betroka, ireto dahalo niova fo ireto. Ny distrikan’Amboasary, Bekily, Antanimora Sud, Beraketa, no tena nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Ankehitriny kosa anefa dia efa tafaverina eny amin’ny fiaraha-monina izy ireo. Koa dia notolorana vary fotsy 20 gony sy vola mitentina 4 tapitrisa Ariary izy ireo mba hiavotany sy hanombohany fiainana vaovao. Naseho ampahibemaso androany moa, izy 30 lahy ireto.

Fa mbola mila hanaovana hezaka kosa anefa ny fametrahana fandriampahalemana any amin’ny distrikan’Ankazoabo, Ampanihy, Betioky Sud ary Betroka. Mbola ambony ary nahitana fiakarana ny trangana halatr’omby any amin’ny faritra, Androy, raha toa kosa ny distrikan’i Toliara faha 2, faritra Atsimo Andrefana no mila anaovana ezaka manokana ady amin’ny fanafihana mitam-piadiana.

Taorian’ny tombana sy ny fifampiresahana teo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana tao amin’ireo faritra telo ireo dianofaranana tamin’ny fitsidihana ny asa fananganana ny zana-tobim-paritry ny Zandarimaria Tsevohipoty, ao amin’ny distrikan’Ambovombe, faritra Androy, ny dian’ny MDG sy COMGN. Paik’ady apetraky ny avy eto anivon’ny fibaikoana ny Zandarimaria ny fametrahana tobin’ny zandary, manerana ireo kaominina rehetra eto Madagasikara, mba hanakaikaizana ny vahoaka hatrany. Efa tsy ho ela dia ho vita ny asa ary dia hitombo isa indray ny zandary aty amin’ny distrikan’Ambovombe, farita Androy. Porofo izany fa vonona ny Zandarimaria hampandry fahalemana any amin’ireo faritra rehetra iandraiketany