RAHARAHA VONO OLONA TAO TOVONA FARAFANGANA : 4 MIRAHAHALAHY TRA-TEHAKY NY ZANDARY

Farafangana | 29 Oktobra 2026

✅ Noho ny fiaraha-miasan’ny Zandarimariam-pirenena any an-toerana sy ny Fanalo ary ny Fokonolona, dia tra-tehaka ireo Lehilahy miisa efatra (04) voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny raharaha vono olona tao Tovna Farafangana fotoana vitsy lasa izay:

Raha tsiahivina dia nitrangana vono olona mahatsiravina nifanesy tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Tovona, Distrikan’i Farafangana, herinandro lasa izay; ka nahafatesana olona roa: ankizy lahy 05 taona sy Renim-pianankaviana 72 taona.

Efa vita ny famotorana ka ho atolotra ny Fitsarana avy hatrany; raha toa ka efa nisy lehilahy iray (01) hafa matin’ny fanalo nandritra ny fanarahan-dia, ary roa (02) lahy lavon’ny balan’ny Zandary nandritra ny fifanjevoana. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba ambiny.

📌 Nambaran’ny Lietnà Kolonely, lehiben’ny Vondro-tobim-pileovana Atsimo Atsinanana fa tsy handefitra amin’ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana, ary hanao fahirano sy haza lambo an’ireo mbola minia mandika ny lalàna.

🔴 Manentana hatrany ny fokonolona noho izany ny zandarimaria mba hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana ho fampandriana fahalemana ny Tanàna.