ADY AMIN’NY ASAN-DAHALO EO AMIN’IREO FARITRA MIFANOLO-BODIRINDRINA : MENABE, VAKINANKARATRA, BONGOLAVA

Ho fanamafisana ny fandriampahalemana ao amin’ny faritra Menabe, Vakinakaratra ary Bongolava dia nivory sy nidinika tao amin’ny biraon’ny vondron-tobim-paritra Zandarimaria Mandoto, ny Komandin’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Miandrivazo sy ny lefitry ny komandin’ny vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Tsiroanomandidy ary ny komandin’ny vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Mandoto, omaly.

Tanjona amin’izany ny fandrindrana paikady iraisana hifehezana ny fandriampahalemana manamorona ny sisin-tanin’ny kaominina Dabolava, Anjoma Ramartina ary Belobaka, indrindra ny ady amin’ny dahalo sy halatra omby, indrindra ny fanarahamaso ireo kizo sy ny fanaovana fisafoana iombonana ao amin’ireo faritra telo mifanolo-bodirindrina ireo.

Mampiomana sady mampitandrina ireo mpivezivezy any amin’ireo toerana voalaza ireo ny Zandarimaria fa ho mafy ny fisavana ary tsy hitsitsy raha sanatria ka misy ny fadikan-dalàna. Vonona hatrany ny Zandarimaria hanamafy ny fandriampahalemana mba ho fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany.