TOBY KOLONELY MOHAJY: Fifamindram-pitantanana teo anivon’ny talen’ny fandrindrana, ny fanaraha-maso ary ny fanombanana eo anivon’ny minisitera delege misahana ny zandarimariam-pirenena.

Tontosa androany faha-29 octobra 2026 teo ny fifamindram-pitantanana teo amin’Atoa Jeneraly RABEMANANJARA Heriniaina Andrianjafy izay voatendry hisahana andraikitra hafa sy Atoa Jeneraly RANDRIANARIVELO IARIVONY Noelson Félicien izay voatendry ho tale vaovao nisolo azy.

Tonga nanotrona izany Atoa jeneraly sekretera jeneraly eo anivon’ny minisitera delege misahana ny Zandarimariam-pirenena sy ireo manamboninahitra jeneraly, manambonitra ambony, manam-boninahitra lefitra ary ireo mpiara-miasa eo anivon’ny fitaleavana.

Tamim-piralahiana tanteraka no nanaovana ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta. Nofaranana tamin’ny fifandimbiasam-pitenenana izany, nampitan’Atoa Jeneraly, sekretera jeneraly ny hafatra sy ny tso-drano ho an’ireo tompon’andraikitra voatendry amin’ny asa manandrify azy avy, mba hahavita be, ho fifanomezan-tanana amin’ny Fitondram-panjakana ho fanatanterahana miaraka ny Fanavaozana eo amin’ny lafiny fampandriana fahalemana ny tany sy ny firenena.