Mandray anjara mavitrika amin’ny atrik’asa ao anatin’ny « Comité de District de Gestion des Risques et des Catastrophes ( CDGRC ) » ny zandary ao Ambilobe mba ho fiomanana amin’ny fiatrehana ireo mety ho karazana ambana ateraky ny loza voajanahary ao anivon’ny Distrikan’i Ambilobe amin’ny fotoam-pahavaratra, izay natao tao amin’ny efitra malalaka fivorian’ny Zokiolona Antafiankasaka ny Alarobia faha 14 Oktobra 2026 teo.
Goavana tokoa ireo laha-dinika notanterahina satria ny Distrikan’i Ambilobe dia isan’ny Distrika marefo amin’ireo karazana Loza voajanahary, toy ny amin’ny tondra-drano, …sns , ka tsara raha miomana mialoha amin’ny alalan’ny fametrahana paikady isan-karazany ( Mialoha ny loza, Mandritra ny loza ary ny Aorian’ny loza)
Teny filamatra nentina tamin’izany laha-dinika izao ny hoe: » Izay tsara fiomanana dia tsy ho tampohin’ny loza «
Nitarika izao hetsika fanombohana izao ny lehiben’ny Distrikan’Ambilobe Eugène RAJAOFERA ary nambarany fa ho tanterina miandalana ireo tsara ho fantatra momba ny fitantanana ny « Loza sy ny Tandindon-doza voajanahary » ao anivon’ny Distrika









