ZANDARIMARIAM-PIRENENA : NAMOAKA ZANDARY AMPERINASA MANAMPAHAIZANA MANOKANA

Antananarivo, 08 Oktobra 2026

Mba hanamafisana ny fahavononan’ny Zandarimariam-pirenena hiatrika ireo fanamby vaovao eo amin’ny sehatry ny Musique, Équitation, Analyse Criminelle, Administration, ary ny Technicien d’Intervention Professionnelle, dia notanterahina androany Alarobia 08 Oktobra 2026 tao amin’ny Toby RATSIMANDRAVA Andrefan’Ambohijanahary ny lanonana famaranana tamin’ny fomba ofisialy ny fiofanan’ireo andiany 7.

Mpiofana miisa 233 no nahavita fiofanana ka navoaka tamin’izany lanonana izany.

Ny MOMBAMOMBA NY FIOFANANA

. BS1 MUSIC andihany faha-4: Miisa 27 mianadahy ireo mpiofana. No hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpiofana teo amin’ny fandalinana sy ny fahafehezana ny fahalalana efa azo amin’ny fitsofana mozika manafana lanonana miaramila eto anivon’ny Zandarimariam-pirenena.
Ny fiofanana dia nanomboka ny 14 jona 2026 izay naharitra 03 volana sy 03 herinandro ka mifarana androany 08 oktobra 2026

. BS1 ÉQUITATION andihany faha 7 :Miisa 27 mianadahy ny mpiofana ao amin’ny andiany ka iray (01) amin’izany no vehivavy. Ny tanjona tamin’ny fiofanana dia ny fandalina sy ny fahafehezana ny fahalalana efa azo momba ny fikarakarana sy ny fitaingenana soavaly eto anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Avy eo dia ny mba ahafahan’izy ireo hampiofana ireo zandriny. Ny fiofanana dia nanomboka ny 14 may 2026 izay naharitra 04-bolana sy 02 herinandro ka mifarana androany 08 oktobra 2026.

ANALYSE CRIMINELLE: Nifantoka tamin’ny fanadihadiana sy famakafakana heloka bevava ary fandikan-dalàna ny fampiofanana.
-BS1 andiany faha 6 Miisa 10 mianadahy ireo nanao BS1. Izay naharitra 3 volana

  • CS1-CS2 andiany faha 18 dia Miisa 53 mianadahy, izay naharitra 5 volana

. BS1 DÉPANNEUR RADIO-FIL ET ÉNERGIE andihany faha 7:Miisa 33 mianadahy ary roa (02) amin’izany no vavy. Ny tanjon’ny fiofanana dia fanofanana zandary ho lasa manam-pahaizana manokana momba ny fikirakirana ny fitaovam-pifandraisan-davitra, sy ho afaka mitazona andraikitra amin’ny toerana iray mahakasika ny fifandraisan-davitra, ary mba hanampy isa ireo gradés dépanneurs miasa any amin’ny grandes formations, groupements, CSAO ary BRS. naharitra 145 andro, izay 20 herinandro sy 05 andro ny fiofanana, nanomboka ny 17 mai 2026, nifarana androany 08 oktobra 2026.

. CS1-CS2 ADMINISTRATION andihany faha 15: Miisa 54 ireo mpiofana ka 14 amin’izany no vehivavy. Ny tanjon’ny fiofanana dia fampidirana arak’asa sy famenoana arak’isa eo amin’ny lafiny fitantanana eo anivon’ny Zandarimaria. Naharitra efa-bolana ny fiofanana, nanomboka ny 24 Mey 2026.

CS1-CS2 TECHNICIEN D’INTERVENTION PROFESSIONNELLE andihany faha 5: Miisa 36 ireo mpiofana ka iray (01) no vehivavy. Ny tanjona mandritra ny fiofanana dia ny ahaizan’ireto mpiofana manatanteraka ireo iraka samihafa amin’ny resaka vonjy taitra matihanina. Natao tao amin’ny Ivotoeram-panofanana ny Fitandromana ny Filaminana ao amin’ny Vondronkery Manokana Ivato ny fiofanana, nanomboka ny 10 Mey ka hatramin’ny 23 Septambra 2026.

Tonga nanome voninahitra izao lanonana izao Andriamatoa jeneraly Sekretera Jeneraly misahana ny zandarimaria sy ny komandin’ny zandarimariam-pirenena sy ireo mpiara dia aminy, Izay nanome hafatra sy fankaherezana amin’ny adidy sy asa Izay miandry ireto mpiofana eny an-kianja.

Ny famoahana ireo andiany ireo dia maneho ny ezaka tsy ankiato ataon’ny Zandarimariam-pirenena amin’ny famolavolana olona manana fahaiza-manao mifanaraka amin’ny filàn’ny asa sy ny fivoaran’ny fandriampahalemana. Hiparitaka any amin’ireo toby manerana ny Nosy izy ireo mba handray anjara amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa.