Manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fitandroana ny filaminam-bahoaka ny kaomandin’ny vondron-tombim-paritry ny Zandarimariam-pirenena ao Maevatanàna sy ny any Kandreho, indrindra ny ady atao amin’ny asan-dahalo.
Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny mpanao gazety manoloana ny resaka heno etsy sy eroa any ambanivohitra no nahenoana, fa tena miady sy tsy mandro andro sy alina ny tompon’andrakitra ny filaminana voalaza etsy aloha sy ireo Zandary miaraka aminy, eny na dia ny fandrindrana ny lalam-pirenena fahefatra aza, mba hisorohana ny mety hisian’ny fanararaotana ataon’ny olon-dratsy.
Ranty indrana tamin’i ✍️ Zandry be Tantely nalaina tao amin’ny pejy Feon’ny Demokrasia Malagasy.

