Tonga mitsidika sy manara-maso ny asan’ireo zandary miasa aty amin’ny faritra Androy sy Anosy, amin’izao fotoana izao, Atoa jeneraly BAMA MARIMA, minisitra delege misahana ny Zandarimaria sy Atoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, komandin’ny Zandarimariam-pirenena, miaraka amin’ny lefiny, Atoa jeneraly REMONGONY, ary Atoa Jeneraly ANDRIANAIVO Ravoavy , talen’ny filaminana sy ny angom-baovao eo anivon’ny fibaikoana ny Zandarimaria.
Fitsidihana izay tafiditra indrindra amin’ny toro marika nomen’ny fitondram-panjakana amin’ny hametrahana fandriampahalemana maharitra eny amin’ny tontolo ambanivohitra sy an-drenivohitra.
Mba hanamora ny fanatanterahana izany toromarika izany dia hampitoboina ny isan’ireo toby misy ireo zandary eny ambanivohitra mba hanakaikaizana ny vahoaka misimisy kokoa hatrany. Araka izany dia tonga nijery ny fizotran’ny fananganana ny zana-tobim-paritry ny Zandarimaria sy ny trano fonenan’ireo zandary, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Manambaro, distrikan’i Taolagnaro, ireo delegasiona tarihan’Atoa MDG sy COMGN, androany. Rehefa misandrahaka manerana ny Nosy mantsy ireo tobin’ny Zandarimaria dia ho mora ho azy ireo no hifehy ny fandriampahalemana amin’ny faritra iandraiketany.
Mialoha izao fitsidihana teto Manambaro izao, dia efa nisy ny famoriana, nataon’izy mirahalahy sy ny delegasiona miaraka aminy, ireo zandary rehetra miasa eto amin’ny faritra Anosy omaly, tao amin’ny toby misy ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Anosy. Dinidinika sy fifampiresahana mba hanomezana toromarika sy baiko mifandraika amin’ny fanatsara ny asa sy tolotra omen’ny zandary amin’ny fametrahana fandriampahalemana, no natao omaly. Nasian’izy ireo tsindrim-peo mafy ihany koa ny fanajana ny fitsipim-pitondrantena sy ny fanajana ny lalàna izay tarigetran’ny Zandarimaria .
Araka izany dia tsy mandry andro aman’alina ireo tompon’andraikitra ambony eto anivon’ny Zandarimaria, mikatsaka ny fametrahana fandriampahalemana maharitra sady manakaiky vahoaka. Mbola hitohy rahapitso moa ny fitsidihana hataon’izy ireo any amin’ireo faritra roa ireo















