Ho fisorohana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana sy ho fanamafisana ny filaminana eny ifotony, nivory tao Vohitrambo ireo Ben’ny tanàna avy amin’ny kaominina sivy ao amin’ny ilany avaratry ny distrikan’i Vangaindrano, niaraka tamin’ny lehiben’ny boriborin-tany, ny zandarimariam-pirenena ary ny tafika malagasy. Tanjona ny hampirindra ny fomba fiasa sy hametrahana filaminana maharitra.
👉Na dia tsy ahitana intsony ireo asan-jiolahy mampikaikaika ny mponina aza ny faritra dia mbola misy ireo tovolahy tsy an’asa manao ny atao hoe « tonta kely ». Izany indrindra no nanosika ireo tompon’andraikitra hifanakalo hevitra sy hiara-hientana amin’ny fitandroana ny fandriam-pahalemana.
🔥Kaominina sivy no nandray anjara tamin’ity fihaonana ity, dia i Tsiately, Soamanova, Vohitrambo, Anilobe, Fonilaza, Iara, Lohafary, Bemà ary Lopary. Na dia tsy mifandray mivantana amin’ny Dinam-paritra « Atsimo Atsinanana Dina Tsy Mavandy » aza ny dinika, dia natao ho famenoana ny ezaka efa misy.
👮♂️Hatolotra ny manam-pahefana ireo fanapahan-kevitra noraisina, ka izay hankatoavina no hampiharina ho fitsipika ifampifehezana


















