Lehilahy iray nividy kisoa tao Alakamisy Ambohimaha no nampiasa vola sandoka mba handoavana ny vidin-kisoa, ny 19 Oktobra 2026, saingy tsikaritry ny mpivarotra avy hatrany izany ka niantso fokonolona ity farany ka naterin’izy ireo tao amin’ny zandary avy amin’ny tobim-paritra Fianarantsoa manao « Poste Fixe » ao an-toerana ilay tompon-keloka.
Nandritra ny fisavana natao azy, rehefa tonga tao amin’ny Zandary, dia nahitana vola sandoka maromaro tany aminy ka rehefa natao ny fanisana izany dia nahatratra 1.665.000ar ny fitambarany.
Tamin’ny ny fakana am-bavany natao azy mahakasika ireo vola sandoka dia tsy afaka nanazava mazava ny tena fihavian’ireto vola sandoka ireto izy ka dia notazomina atao andrimaso ao amin’ny tobim-paritra Fianarantsoa mba hanohizana ny fanadihadiana ary hatolotra ny fitsarana aorian’izay.
Ny zandarimaria dia mankasitraka ny fitokisana apetraky ny vahoaka aminy sy ny fiaraha-miasa toy izao mba hamongorana ireo mpanao fandikan-dalàna, ary manentana hatrany ny olom-pirenena tsirairay mba ho sahy hitoroka sy hampandre ny zandary avy hatrany amin’ny tranga na ambana isan-karazany ahiahiana hiteraka tsy fandriam-pahalemana.




