Olona Telo no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny sampam-mpikarohana heloka bevava ao Antsiranana ny 19 Ôktôbra 2026 tao amin’ny Fokontany Morafeno Distrik’Antsiranana, mahakasika ny resaka halatra sy fanodikodinana solika avo lenta izay voatokana hamatsiana herinaratra ny tanànan’Antsiranana .
Ny komandin’ny fari-piadidian’ny Zandarimaria Antsiranana, izy tenany mihitsy, no nanome ny angom-baovao ary nanome baiko ny lehiben’ny sampam-mpikarohana heloka bevava ao Antsiranana sy ireo mpiara-miasa aminy mba hidina eny amin’ny toerana voalaza mba hanamarina ny zava-nisy. Rehefa tonga teny an-toerana dia voamarina ny fisian’io halatra io tao anatina lakoro lehibe iray mifefy biriky avo dia avo ary dia ratra ambody omby tokoa ireo mpanao asa ratsy izay vaky nandositra vantany vao nahita ireto mpitandro filaminana. Raikitra ny fifanenjehana ary roa no tratra tavela tao anatin’ilay lakoro niaraka tamin’ny fiara vaventy mpitatitra solika izay an’ny orin’asam-pitaterana iray ao Ambalavola-Antsiranana ihany.
Nadritra ny fisavana no nahitana fa efa misy 70 jerikanina mavo 2O litatra avy no efa feno teo akaikina kaontenera miisa 04 fampirimana ireo bidao efa feno solika sy mbola hofenoina miisa anjatony.
Hita tao anatin’ny « cabine » n’ilay fiarabe fitanteran-tsolika avokoa ireo atotan-taratasy mirakitra ny fitondrana ireo solika toy ny « bon de sortie » avy tamin’ny « Logistique Pétrolière » ao Grand-Pavois ary fantatra avy hatrany fa solika hamatsiana ny orin’asa JIRAMA ao antoerana izao avily antoeran-kafa izao, izay novidina tamin’ny orin’asa tao Antsiranana ihany, ka orin’asam-pitanterana tompon’ny fiara tratra io no miandraikitra ny fitanterana azy miala avy ao amin’ny LPSA Grand-Pavois ho any amin’ny ENELEC mpamatsy herinaratra ny renivohitr’Antsiranana.
Nanaovana tatitra tamin’ny Kolonely, Komandin’ny fari-piadidian’ny zandarimaria sy ny Tonia Mpampanoa Lalàna ny zava-nisy, ary nampandrenesina ihany koa ny Talem-paritry ny orin’asa JIRAMA ao an-toerana sy ny tompon’andraikitry ny orin’asa nividianana ny solika ary ny OMH.
Nidina ifotony ny Kolonely lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimaria sy ny Tonia mpampanoa lalàna izay niantso mpanao gazety mba hampahafantarana ny mponina any an-toerana ny zava-nitranga taorian’ny nanomezana alalana namakiana ireo kaontenera miisa 04 nahitana ireo bidao foana maro be.
Nogiazana ao amin’ny amin’ny biraon’ny sampam-pikarohana heloka bevava Antsiranana avokoa ireo entana tratra izay ilaina amin’ny famotorana ary ilay fiara lehibe mpitatitra solika kosa dia andrasana vonjimaika ao amin’ny tobin’ny zandary Antranobozaka.
Olona telo arak’izany no voasambotra amin’ity raharaha ity ka ny iray dia mpiray petsapetsa amin’ireto olon-dratsy ireto avy any Ambilobe izay efa tonga ao Antsiranana ka atao andrimaso ho amin’ny famotorana ary aorian’izay dia hatolotra ny fampanoavana.
Misokatra ny famotorana an’ireo olon-dratsy sy ny fikarohana ireo mbola mety ho voakasik’ity raharaha ity, ka ao anatin’izany ny tompon’ny toerana fanaovan’izy ireo ny asa ratsy, izay tafatsoaka.
Mba hisorohana ny mety ho fanararaotana hataon’olon-dratsy dia nametrahana zandary 04 sy miaramila 04 avy ao Sakaramy miambina ny toerana nisehoan’ny fandikan-dalàna .


















