Taorian’ny 50 taona mahery tsy nisian’ny fanorenana fotodrafitrasa vaovao dia manao asa fanorenana birao vaovao ho an’ny vondron-tobim-pileovann’ny zandarimaria ny ao Ambatondrazaka.
Efa hatry ny ela no niatrehan’ity vondron-tafika ity ny tsy fahampian’ny toerana sy ny fahasimban’ireo birao, izay misy fiantraikany amin’ny fanatanterahana ny asa andavanandro.
Ao anatin’ny ezaka hanatsarana ny fomba fanatanterahana ny asa sy hanomezana toerana fiasana sahaza ho an’ireo zandary no tena antom-pisian’ny fanorenana ity birao vaovao ity.
Ity fotodrafitrasa ity dia natao hanatsarana ny tontolon’ny asa sy hanamora kokoa ny fanatanterahana ny andraikitra sahanin’ny Zandarimaria Ambatondrazaka.








