Notanterahina androany 19 Novambra 2026, tao amin’ny Toby Jeneraly Ratsimandrava, ny lanonana fanaovam-beloma sy fanomezam-boninahitra farany ny Zandary Kilasy Ambony RAZAFIMAMONJY Deraina Lovasoa, izay namoy ny ainy teo am-panatanterahana ny adidy aman’andraikiny, rehefa avy nanompo ny Tanindrazana nandritra ny 11 taona.
Ho fankasitrahana ny herim-po sy ny fahasahiana ary ny fanoloran-tenany tamin’ny fanompoam-pirenena, indrindra ny ezaka sy ny sorona nataony teo amin’ny famonjena aina, dia nomena mari-boninahitra nasionaly izy. Nisy ihany koa ny fampiakarana azy amin’ny laharam-boninahitra zandary fototra kilasy faharoa (à titre posthume) ho mariky ny fanomezam-boninahitra azy.
Tonga nanotrona sy nankahery ny fianakaviana mana-manjo ary ny andiany faha-71 nisy azy, Atoa Jeneraly, Minisitra Delege miadidy ny Zandarimariam-pirenena, sy Atoa Jeneraly, Komandin’ny Zandarimariam-pirenena. Nanotrona azy ireo ihany koa ireo mpiara-miasa aminy, ireo manamboninahitra ambony eo anivon’ny Tafika sy ny Polisim-pirenena.
Ny fotoana toy izao dia natao hanehoana firaisankina sy firahalahiana eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, sady fotoana iray nanehoana ny fanajana sy ny fankasitrahana ny asa fanompoana izay nataon’ity zandary lavo ity ho an’ny Firenena.
Ny fitiavan-tanindrazana nasehony sy fitiavana hanompo ny mpiara-belona aminy izay namoizany hatramin’ny ainy dia ohatra velona mitoetra ao am-pon’ny zandary tsirairay ka vao mainka hampiredareda ny afon’ny fitiavan-tanindrazana.
Mandria am-piadanana, ry rahalahy!





















