Tra-tehaky ny Zandary ao amin’ny Vondron-tobim-paritra Moramanga, ny 01 Oktobra 2026, teny amin’ny lalam-pirenena faha-44 PK10, Ampitambe, Kaominina ambanivohitra Ambohibary ny fiara lehibe iray nitondra mica tsy ara-dalàna milanja 35 taonina, izay handeha ho any Toamasina.
Nandritra ny fisavana natao dia hita fa hosoka tanteraka ireo taratasy fahazahoan-dalana rehetra nampiasaina tamin’ny fitaterana ireo mica.
Notazonina vonjimaika ao amin’ny zana-tobim-paritra Ampitambe ireo mica, ary hatolotra ny Polisy misahana ny harena ankibon’ny tany ny raharaha.




