Antananarivo, 15 Novambra 2026.
Tontosa androany ny lalao farany eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja baolina kitra, Divisionina Faharoa (D2), izay nifanandrinan’ny Gendarmerie Nationale Football Club (GNFC) sy ny ASJM. Nisaraka ady sahala tamin’ny isa 2 noho 2 (2-2) ny roa tonta, vokatra izay nanamafy ny fahazoan’ny GNFC ny laharana voalohany teo amin’ny filaharana ankapobeny.
Araka izany, nibata ny amboara ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny Divisionina Faharoa ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena, ary nahazo ny tapakila hiakarana eo amin’ny Pro League Football (Divisionina Voalohany) amin’ny taom-pilalaovana manaraka.
Marihina fa tsy ny fahazoana ny amboara sy ny fisondrotana diviziona ihany no vokatra tsara azon’ny GNFC, fa naneho fahombiazana miavaka nandritra ny fifaninanana ihany koa. Tamin’ireo lalao 11 natrehiny fandresena 9 no azony ary ady sahala 2, ka tsy mbola resy mihiitsy nandritra ny fifaninanana.
Ankoatra izany, nisongadina teo amin’ny sokajy manokana ireo mpilalaon’ny GNFC Vakinankaratra, ka nahazo ireto mari-pankasitrahana manaraka ireto :
- Meilleur buteur : Randriamihaja Tojosoa, laharana faha-11, nahafaty baolina 19.
- Meilleur joueur : Andriamandimby Tokiniaina, laharana faha-31.
- Meilleur entraîneur : Coach Rakotoarimanana Christian.
- Meilleur gardien de but (GK) : Niridisoa Armand Kennedy, laharana faha-40.
Tonga nanome voninahitra sy nanatrika izany lalao izany ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly MAMELISON Mbina Nonos sy ireo mpiara-dia aminy.
Ity vokatra miavaka ity dia porofon’ny ezaka, ny firaisankina, ny fifehezana ary ny finiavana nasehon’ireo mpilalao sy ny mpanazatra ary ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanomanana sy ny fanohanana ny ekipa.
Manandratra avo ny voninahitry ny Zandarimariam-pirenena ny GNFC, ary manaporofo fa anisan’ny sehatra iray ahafahan’ny zandary maneho ny fahaiza-manaony sy ny talentany ihany koa ny fanatanjahantena.
GNFC : Mirehareha, Miezaka, Mandresy ary Manandratra ny anaran’ny Zandarimariam-pirenena !











