MIANDRANDRA FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY VAHOAKA NY ZANDARIMARIA AMIN’NY FAMETRAHANA FANDRIAMPAHALEMANA

Mba hanohizana sy hametrahana ny asa fampandriana fahalemana eto amin’ny faritra Melaky, dia notendren’ny fibaikoana ny Zandarimaria ho komandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Melaky, ny kolonely RATSIRESY Hoeny Géortin, nandimby ny kolonely ANDRIATAHINA José Emile. Natao teto Tanambao Nord, Maintirano, toerana misy ny vondron-tobim-pileovana ny Zandarimaria Melaky, ny lanonam-pamindram-pibaikoana teo amin’izy miraharalahy.

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany moa, Atoa jeneraly ZIPA Jean Hubert, sekretera jeneralin’ny ministera delege misahana ny Zandarimaria, Atoa jeneraly PIKULAS Démosthène, lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika ary Atoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, komandin’ny Zandarimariam-pirenena. Ny fanamafisana ny fahaizana mihaino sy mandray olona izay tonga mandondona, manao fitarainana sy mitady fanampiana amin’ny Zandarimaria, ny fiaraha-miasa amin’ireo vahoaka sy ireo miara-misalahy rehetra amin’ny fametrahana fandriampahalemana, indrindra ny fanajana hatrany ny fitsipim-pifehezana maha zandary, no baiko sy toromarika nomen’Atoa jeneraly komandin’ny Zandarimariam-pirenena azy.

Laharam-pahamehana sady maika ny fifehezana ny lafin-tany mifanolo-bodirindrina (gestion de limitrophe) eo amin’ny faritra Melaky sy Menabe. Matetika dia any amin’ireo faritra mifanila ireo no tena tsy dia anjakan’ny asan-dahalo. Mba hanampy amin’izany asa goavana izany dia nahazo vontondron-tobim-paritry ny Zandarimaria (compagnie territoriale de Gendarmerie) ny ao amin’ny distrikan’Antsalova sy Besalampy. Nampahafantarina ampahibemaso androany ihany koa izany. Tsy misalasala araka izany, ny Zandarimaria, mangataka fifanomezan-tanana sy fifanampiana amin’ny vahoaka, ny hery fiarovana sy filaminana misy eto Melaky, mba hametrahana fandriampahalemana maharitra. Tonga mijery ny fanatanterahan’ireo zandary ny asan’ny Zandarimaria ety ifotony, eto Maintirano, moa amin’izao fotoana izao, ny komandin’ny Zandarimariam-pirenena, notron’ireo tompon’andraikitra ambony eo amin’ny fibaikoana ny Zandarimaria.