TONGA ETO MAINTIRANO NY KOMANDIN’NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

Mamita iraka eto amin’ny faritra Melaky, amin’izao fotoana izao, Atoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, komandin’ny Zandarimariam-pirenena, otronin’ny solotenan’ireo tale eo anivon’ny fibaikoana ny Zandarimaria.

Tonga nitsidika ara pomba ofisialy mba ho fanajana, an’Atoa PIKULAS Jonah, lehiben’ny faritra Melaky, ireo delegasiona tarihan’Atoa jeneraly ZIPA Jean Hubert, sekretera jeneralin’ny ministera delege misahana ny Zandarimaria, androany hariva. Niompana tamin’ny fandrindrana sy fametrahana ny fandriampahalemana eto amin’ny faritra Melaky, ny dinidinika teo amin’ny roa tonta androany.

Zava-dehibe ho an’ny roa tonta ny fitsidihana tahaka izao mba hanehona ny fifanajana sy fanehoana fahavononana ho an’ny Zandarimaria hametraka fandriampahalemana sy hanamafisana ny fifandraisany amin’ny tompon’andraikim-panjakana sy ny vahoaka ety ifotony.